Fandraisana andraikitra manoloana ny tranga (ICAM)

Fandraisana andraikitra manoloana ny tranga (ICAM) tao Manonilaza, Kaominina Masomeloka, Distrika Mahanoro.

Nahitana tranga ICAM : INTOXICATION PAR CONSOMMATION DES ANIMAUX MARINS na fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina antsoina hoe "ISOTRA na LAOKAN-TSOKINA" hita tao amin’ny Fokontany Manonilaza, Kaominina Ambanivohitra Masomeloka, SDSP Mahanoro, DRSP Atsinanana, omaly 22 septambra 2026.

Manoloana izany dia nidina ifotony avy hatrany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny mpiasan'ny fahasalamana any antoerana notarihin'ny "Medecin Inspecteur" Mahanoro sy ny ekipany, ny solontena avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, niaraka tamin'ireo manam-pahefana tao an-toerana.

Noraisaina an-tanana avy hatrany tamin'ny alalan'ny "fonds d'urgence", araka ny lamina izay efa napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka, ireo marary efatra nentina tao amin'ny CSB II Masomeloka.

Harahi-maso akaiky kosa ny fahasalaman'ireo olona mihoatra ny roapolo hafa, izay nihinana ity trondro voalaza ity. Marihina moa fa olona iray no namoy ny ainy raha mbola tsy tonga tao amin'ny tobim-pahasalamana.

Koa entanina ny rehetra mba ho mailo amin’ny sakafo hohanina, hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana ary hanatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana raha misy soritr’aretina mampiahiahy.

Nandritra izany koa no nanamafisana ny fanentanana momba ny fanaovam-baksiny sy ny fisorohana ny tazomoka, indrindra ny fampiasana ny lay misy ody moka maharitra.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana mana-manjo Vokatr'izao tranga izao.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP ATSINANANA - COMM. 24-sept.-2026