FANDIDIANA MAIMAIMPOANA IREO VEHIVAVY TRATRY NY ARETINA MAMANY LAVA - [CHRD II MAROLAMBO]
Tsy misy vehivavy mararin'ny aretina mamany lava ho adino, na dia any amin'ny toerana lavitra sy saro-dalana toy ny Distrika Marolambo aza, fa mipetraka ho laharam-pahamehana hatrany ny fanatrarana ireo fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ka anisan'izany ny fanafoanana ny aretina mamany lava hatramin'ny taona 2030.
Tsara ny mampatsiahy fa efa paikady amin'ny asa an-davanandron'ny Fitondram-panjakana ny fanatonana ireo vahoaka, eny na dia any amin'ireny toerana farany lavitra ireny, any amin'ireo Faritra samihafa.
Mazava ny toromarika fa ny asa rehetra dia mila mipaka mivantana amin'ny vahoaka satria zon'izy ireo ny misitraka fahasalamana.
Vehivavy tratry ny aretina mamany lava mihoatra ny roapolo avy ato anatin'ny Distrikan'i Marolambo sy ny manodidina, no hisitraka fandidiana maimaimpoana ao amin'ny CHRD II Marolambo, nanomboka omaly ary haharitra fito andro. Nisy amin'izy ireo no efa narary nandritra ny "16 taona", ka faly sady velom-panantenana fa hahazo fahasitranana fa indrindra fiainana vaovao.
Hisaorana etoana ny Freedom From Fistula Foundation, ny mpitatitra an'abakabaka MAF, ny SALFA Marolambo, ny Solombavam-bahoakan'i Madagasikara voafidy tao Marolambo, sy ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny CHRD II Marolambo miara-misalahy, manatanteraka izao asa fitsaboana izao.
Tonga tao Marolambo manao tantsoroka amin'ny fanatanterahana izany ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr m. ZARA Hassanaly Patrick, izay maneho hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny mpiara-miombon'antoka rehetra ho fanatsarana hatrany ny sehatry ny fahasalamana ao anatin'ny Faritra Atsinanana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSINANANA - COMM. 24-sept.-2026