Fijerena ny maha-olona

Madagasikara: fanamafisana maharitra ny fiarovana ara-pahasalamana ho an'ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana ny lafiny maha olona. Vaindohan-draharahan'ny Firondram-panjakana ny fiarovana ny Malagasy amin'ny valan’aretina sy ny loza mety mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka. 

Ny Minisiteran’ny Fahasalamana tarihin'Andriamatoa Minisitra Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , miaraka amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana maharitra, sy ny Vondrona Maneran-tany misahana ny Fahasalama (OMS) ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, dia manatanteraka atrikasa atanterahana ny tombana iraisam-pirenena momba izany rafitra izany. 

Ity hetsika ity dia ahafahana manao tomban'ezaky ny dingana efa natao mba ho fanamafisana ny rafitra ho fisorohana, fizahana ary fiatrehana ny loza mety hitranga ara-pahasalamana, ka ahafahana mitondra ny anjara biriky amin’ny fiarovana an’i Madagasikara ho tombotsoa iraisana ary ahafahana mijery ny ho avy sy manatsara ireo lesoka rehetra  hananan’i Madagasikara toky amin'ny ho avy.

 

13-nov.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités