MPIASAN'NY FAHASALAMANA MANATONA NY VAHOAKA - AMPASINAMBO

Miroso hatrany ny valibotana eny ifotony ataon'ireo mpiasan'ny fahasalamana miaraka amin’ireo Agents Communautaires (AC), ho fanamafisana ny fanentanana sy ny fitsaboana ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Fiadanana, Volobe ary Morarano.

Tanjona ny fanentanana sy fanolorana ireo tolotra ara-pahasalamana ho akaiky ny mponina, amin’ny alalan’ny fandehanana manatona sy manaraka ny fahasalaman'izy ireo an-kianja.

Marihina fa ao Fiadanana no hanatanterahana ny fanaovam-baksiny, avy eo mitohy amin'ny Fokontany samihafa, raha hitohy kosa any amin’ireo Fokontany voakasika ny fizarana lay misy ody moka, ny fandraisana an-tanana ireo marary ary ireo asa hafa ilaina amin’ny fiarovana sy fanatsarana ny fahasalaman'izy ireo.

Amin’ny alalan’izao fiaraha-mientana izao dia hamafisin'ny Fitondram-panjakana ny fisorohana, ny fahafahana mahazo tolotra ara-pahasalamana ary indrindra ny fandraisana an-tanana ny mponina any amin’ity toerana ity.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 24-sept.-2026