VAKSINY FAOBE TAO AMIN’NY FOKONTANY FIADANANA - AMPASINAMBO

Manamafy ny paikady hamongorana ny fiparitahan’ny valanaretina ao amin’ny Distrikan’i Ifanadiana ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpiara-miombon'antoka rehetra mamita iraka sy manohana ao amin’ny Kaominina Ampasinambo.

Tao amin’ny Fokontany Fiadanana dia notanterahina ny fanaovam-baksiny faobe, niaraka tamin’ny fanentanana sy fampahafantarana ireo mponina ny maha-zava-dehibe ny fisorohana ireo aretina.

Nohamafisina ihany koa ny fitsaboana manakaiky ny mponina, ny fizaham-pahasalamana ary ny fitsidihana isan-tokantrano, mba hahafahana mandray an-tanana akaiky ireo olona mila fitsaboana sy fanaraha-maso.

Ireo hetsika ireo dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana hanamafisana ny fisorohana, ny fanaraha-maso ary ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana eny an-kianja.

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka – DIRCOM

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavan’ny Serasera

Ny Fitaleavana ny Serasera 25-sept.-2026