FITONDRAM-PANJAKANA SY NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA.MIARA-MIENTANA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Mitohy ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon'antoka aminy amin'ny fandraisana andraikitra ara-pahasalamana ao Ampasinambo. Ao anatin'ny izany dia efa tonga eto anivon’ny Biraon’ny Distrika ny Fahasalamana Ifanadiana (SDSP Ifanadiana) ireo MID (Moustiquaires Imprégnées Durables) na moustiquaires avy amin’ny PSI, izay hotaterina sy hozaraina any amin’ny Kaominina Ampasinambo, ho entina miaro ny mponina amin’ny aretina tazomoka.

Efa nisy tamin’ireo "Moustiquaire" ireo no nalefa, izay niainga ny Alakamisy 24 septambra 2026, mba hahafahana manamafy hatrany ny fepetra fisorohana sy fiarovana ny mponina eny ifotony.

Ny fampiasana moustiquaire imprégnée dia anisan’ny fomba mahomby hiarovana amin’ny kaikitry ny moka mpitondra tazomoka.

Mankasitraka sy misaotra ny PSI amin’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra amin’izao ezaka iarahana miaro ny mponina ao Ampasinambo izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary :DRSP VATOVAVY. 26-sept.-2026