FIZARANA LAY MISY ODIMOKA AO AMPASINAMBO
Kaominina Ampasinambo – Distrikan’Ifanadiana.
Ao anatin’ny fanamafisana ny ezaka amin’ny fisorohana sy ady amin’ny tazomoka, dia tonga tao amin’ny Kaominina Ampasinambo ireo ballots 20 misy lay misy odimoka (MID).
Avy amin’ny Fitondram-pajakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ireo lay ireo, dia nozaraina ary naparitaka any amin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny Kaominina Ampasinambo, mba hahafahan’ny tokantrano misitraka izany ho fiarovana amin’ny kaikitry ny moka.
Nifanampy tamin’ny fanatanterahana ny fizarana sy ny fanaraha-maso ny fampiasana ireo lay ireo ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo manam-pahefana tao an-toerana. Natao ihany koa ny fanentanana ireo mponina momba ny fampiasana izany, araky ny tokony ho izy sy ny fampiasana azy tsy tapaka.
Anisan’ny fepetra lehibe amin’ny fisorohana ny tazomoka sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina izao hetsika izao, indrindra any amin’ireo faritra ahitana ny fiparitahan’ny aretina.
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka - DirCom.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 27-sept.-2026