FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA HO AN’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA
Nihaona tamin-dRamatoa Eva Kadilli, Talem-paritra (Directrice Régionale) misahana ny UNICEF, i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, tao anatin’ny ezaka fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Governemanta Malagasy sy ny UNICEF, indrindra ho an'ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fiarovana ireo sokajin'olona marefo.
Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana lehibe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fifanakalozana, anisan’izany ny fanamafisana ny fandaharan'asa fanaovam-baksiny, mba hahazoan’ny ankizy rehetra, indrindra ireo mbola tsy nahazo izany, ny fiarovana ilainy, ary hatrany amin'ireo faritra lavitra indrindra. Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanohizana ny ezaka efa natomboka amin’ny ady amin’ny lefakozatra sy ny kitrotro.
Anisan’ny noresahina ihany koa ny fahasalamana eny ifotony, indrindra ny fanamafisana sy ny fametrahana mazava ny satan'ny mpanentana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny fampiofanana, ny fandrisihana ara-bola isan-volana, ny fanaraha-maso ary ny fanatsarana ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny asa ataon’izy ireo.
Nifampizarana ihany koa ny momba ny fisorohana sy fitiliana ny VIH amin’ny vehivavy bevohoka, ary ny fisorohana ny fifindran’izany eo amin’ny reny sy ny zaza, ary koa ny fanamafisana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, izany rehetra izany moa dia ho fitsinjovana ireo ankizy ho avin'ny Firenena.
Tanjona iraisana : fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny ezaka iarahana mba hahafahan’ny ankizy sy ny reny rehetra mahazo tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ary hipaka any amin'ireo Faritra saro-dalana eto amin'ny Firenena.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-sept.-2026