FIARAHA-MIENTANA NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA SY NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AO ATSIMO ATSINANANA.

Ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, manamafy izany singa izany ny fiaraha-miasa toy izao, miainga amin'ny fiaraha-miombon'antoka, mba hanohanana ireo rafitra ara-pahasalamana sy hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny mponina, indrindra ireo olona marefo. Ity fiaraha-mientana ity dia mikendry ny hitondra ny tolotra ara-pahasalamana ho amin’ny lafiny tsara kokoa, mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka sy ny zava-misy eny ifotony.

Ao anatin'izany dia nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 24 septambra 2026 ny Tetikasa narindran'ny "ONG MEDAIR" mitondra ny anarana hoe "Tanan-kavanana ho an'ny fahasalamana" izay nitondra tantsoroka tao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana. Ho tohin’izany dia tonga nanolotra ireo fanafody mbola tsy lany nandritra ny vanim-potoana niasany ny solontenan’ny "ONG MEDAIR", omaly 28 septambra 2026, tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka (DRSP) Atsimo Atsinanana, tao Farafangana.

Nandray ny fanomezana sy nanao sonia ny antontan-taratasy fanolorana izany, tamin’ny anaran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Andriamatoa Rasolomampionona Emmanuel, Sekretera Jeneralin’ny Faritra. Niara-nanatrika ny fotoana ihany koa ny Kôlônely Maroroky, Talen’ny Kabinetran’ny Faritra, sy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka.

Ireo fanafody ireo dia kasaina hampiasaina ho fanohanana ny fikarakarana ireo olona marefo, araka ny filàna sy ny fepetra mifehy ny fizarana sy fampiasana fanafody. Ity fanolorana ity dia maneho ihany koa ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana, ho tombontsoan’ny mponina eto Atsimo Atsinanana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSIMO ATSINANANA - COMM. 29-sept.-2026