MADAGASIKARA TAO AMIN’NY UNGA81: FAMPIASAM-BOLA AMIN’NY FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA HO AN’NY FAMPANDROSOANA
Ny 23 septambra 2026, tao New York dia nandray anjara tamin’ny hetsika avo lenta nokarakarain’ny UNFPA tany New York i Madagasikara, nifantoka tamin’ny famatsiam-bola maharitra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana.
Ao anatin’ny ezaka iraisam-pirenena, mihoatra ny 715 tapitrisa dolara ny fanoloran-tena vaovao nambaran’ireo Governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka mpamatsy vola, ho an’ny fotodrafitrasa, tolotra ary vokatra ara-pahasalamana ilaina, indrindra ho an’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka.
Manamafy ny fahavononany i Madagasikara hanohy ny fampivondronana ny loharanom-bolam-pirenena sy iraisam-pirenena, ao anatin’ny fiaraha-miasa maharitra, mba hiantohana ny fahazoan’ny rehetra tolotra sy vokatra ilaina amin’ny fahasalamana ara-pananahana.
Ho an’ny taona 2026–2027, dia 20 tapitrisa dolara no efa nahetsika ho an’ny vokatra ilaina amin’ny fahasalamana ara-pananahana.
Tsy fandaniana fotsiny ny fahasalamana ara-pananahana, fa fampiasam-bola amin’ny fampiroboroboana ny maha-olona sy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Satria rehefa miroborobo ny reny sy ny tovovavy Malagasy, miroborobo ny fianakaviana; ary rehefa miroborobo ny fiarahamonina, mandroso i Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Direction de la Santé Familiale. 30-sept.-2026