28 SEPTAMBRA 2026 | ANDRO MANERAN-TANY HIADIANA AMIN’NY ARETINA HAROMOTANA

Manamafy hatrany ny fandraisana andraikiny amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny aretina haromotana ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka aminy.

Santionany amin'izany ny hetsika fanamarihana natao tao amin’ny Faritra Androy, izay fotoana nanamafisana tamin'ny alalan'ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana natao teo anivon’ny CSB II Ambovombe Androy, izay fiaraha-mientana tamin'ireo haino aman-jery.

“PLUS FORT ENSEMBLE - MIARAKA ISIKA DIA MAHERY KOKOA” no hafatra lehibe amin’ity taona ity, izay manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha misalahy amin'ny fanentanana eo amin'ny sehatry ny fahasalaman'ny olona sy ny fahasalaman'ny biby.

Tanjona amin'izany ny hisorohana ny fahafatesan’olombelona vokatry ny Haromotana ary hanatrarana ny tanjona hoe “Zero human deaths from dog-mediated rabies by 2030”.

Tsara ny mampatsiahy fa mandritra ny fanamarihana izany Andro manerantany izany, ao Amparafaravola ny 10 oktobra dia hisy ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny vahoaka momba ny Haromontana, ny fomba fisorohana azy ary ny tokony hatao raha misy olona voakaikitry ny biby ahiana.

Anisan’ny hetsika lehibe ihany koa ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ho an’ny alika sy ny saka, izay fepetra lehibe amin’ny fisorohana ny fiparitahan’izany aretina izany amin’ny olombelona.

Raha misy olona voakaikitry ny alika, saka na biby ahiana ho mitondra ny Haromotana, dia sasao avy hatrany amin’ny rano sy savony mandritra ny 15 minitra eo ho eo ny fery ary manatona haingana ny tobim-pahasalamana.

Aoka isika samy handray andraikitra :

MISOROKA – MAMPITANDRINA – MAMPANAO VAKSINY – MITADY FITSABOANA HAINGANA.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ANDROY - COMM. 30-sept.-2026