LOZAM-PIFAMOIVOIZANA AN-DRANOMASINA - FAHARENDREHANA TEFITEFY TAO MORONDAVA : FANDRAISANA ANDRAIKITRA HAINGANA

Nivadika teo amin’ny vavaranon’i Betania, Morondava, ny alarobia 30 septambra 2026 tokony ho tamin’ny 08 ora sy 30 maraina, ny tefitefy iray na (vedette) nitondra mpandeha avy any Maintirano, Faritra Melaky, izay niainga ny alatsinainy 21 septambra 2026.

Tao anatin''izany dia tsy nisy ny Aina nafoy, fa kosa

Olona telo no noraisina an-tanana maimaimpoana avy hatrany tao amin’ny Hôpitaly Morondava (CHRR) noho ny fahatairana manoloana izany tranga izany.

Ny fiara mpitatitra mararin'ny BNGRC tao amin’ny sampana vonjy taitra no nitondran'izy ireo tany amin'ny toeram-pitsaboana ary tsara ny manamarika fa tsy misy ahiana ny fahasalaman'izy ireo.

Ny fiaraha misalahy ny amin'ny famonjena ny aina tahak'izao no hanehoan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ireo rantsamangaikany fa sarobidy ny ain'ny Malagasy.

Mankasitraka feno ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpiantsehatra amin'ny fahasalamana ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay nihetsika haingana teo anatrehan'ny fisian'ity loza tampoka ity.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny serasera.sary : DRSP MENABE - COMM 01-oct.-2026