MADAGASIKARA – FIVORIANA AVO LENTA MAHAKASIKA NY FISOROHANA, NY FIOMANANA ARY NY FAMALIANA NY VALANARETINA SY NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA

AGNU81 – New York, Etazonia

Nandray anjara tamin’ny Fivoriana Avo Lenta mahakasika ny Fisorohana, Fiomanana ary Famaliana ny Valanaretina sy ny Hamehana ara-pahasalamana (PPPR) i Madagasikara ny 25 septambra teo, izay natao tao amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana any New York.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, dia nohamafisina ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fiarovana ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny :

Fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, ny famantarana mialoha ary ny famaliana haingana ny valanaretina sy ireo hamehana aram-pahasalamana.

Fanamafisana ny rafitra nomerika ara-pahasalamana, toy ny "DHIS2", ho fanatsarana ny fanapahan-kevitra;

Fampiharana ny fomba fiasa "One Health", izay mampifandray ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana;

Fanamafisana ny fiaraha-miasa, sy ny fandrindrana iraisam-pirenena ary ny famatsiam-bola maharitra, mifototra amin’ny rariny sy ny firaisankina.

Tanjona : fananganana rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy maharitra, hahafahana misoroka, mamantatra mialoha ary mamaly haingana ny valanaretina sy ny hamehana ara-pahasalamana.

Manamafy hatrany ny fahavononany i Madagasikara amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera . Sary : DVSSER 01-oct.-2026