Fivoriamben’ny Firenena Mikambana faha 81 : fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny ady amin’ny tazomoka manerantany

Fivoriamben’ny Firenena Mikambana faha 81, ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny ady amin’ny tazomoka manerantany, natao tao New York, Etats Unies, ny 21 sy 23 septambra 2026.

Ny fivoriana niatrehana dia nokarakarain'ny : Roll Back Malaria (RBM), Global Institute for Disease Élimination (GLIDE) - GROUPE CONSULTATIF « BIG PUSH », African Leaders Malaria Alliance (ALMA) na ny Vondron'ny filoham-panjakana Afrikanina miady amin'ny tazomoka.

Noresahana tamin’izany fivoriana izany ny manodidina :

haitao ara-kajy mirindra hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, ny fampiasana ireo teknolojia vaovao, ny vokadratsin'ny fiovaovan'ny toetrandro, ny fihenan'ny famatsiam-bola avy any ivelany, ary

ny fanombohana ofisialy ny hetsika "Big Push (famaritana ny laharam-pahamehana ao anaty fihenan’ny famatsiam-bola hihazonana ny zava-bita).

Ny tanjona nandritra ireo fihaonana avo lenta telo sosona ireo dia ny famelabelarana ireo paikady sy drafitra iraisam-pirenena sy nasionaly, namaritana ny lahara-pahamahen’ny Firenena tsirairay ary ampiasana bebe kokoa ny teknolojia vaovao eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, izay entina hanafainganana ny fanafoanana ny tazomoka.

Nandray anjara feno tamin'izany fihaonambe izany ny delegasiona Malagasy, tamin’ny alalan-dRamatoa Ambasadaoron’ny Madagasikara any Washington sy Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nivoitra nandritra ny lahateny fa manana fanamby maromaro i Madagasikara, anisan'izany ny fampihenana ny vesatry ny tazomoka, ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny lafiny fisorohana sy fitsaboana, ary ny fandraisana anjara amin'ny fanamafisana ny rafitra isan’ambaratonga, mafonja sy maharitra ho an'ny fahasalaman'ny vahoaka rehetra.

Notsindriana manokana ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny tazomoka eny ifotony sy ny fifehezana ny aretina manoloana ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toe-trandro. Noho ny fahatsapana ny fihenan’ny famatsiambola dia naneho ny fahavonona tokoa ny Fanjakana Malagasy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny "big push" sy hampitombo ny vola ampiasaina amin'ny ady amin'ny tazomoka.

Zava-dehibe sy ilaina tokoa ny fanamafisana ny fampiasana ny teknolojia nomerika sy ny fampidirana ny fahaizana artifisialy (IA) eo amin'ny sehatry ny fanaraha-maso ny tazomoka.

Zéro Palu ! Je m'engage.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DLMT 01-oct.-2026