FIHAONAMBE
Hotel des Thermes – Antsirabe
Manana ny lanjany sy mitondra ny anjara biriky mavesatra amin'ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana ny sehatra misy an'ireto "anesthésistes réanimateurs" ireto, fa indrindra tafiditra anatin’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana mitohy ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara ary mampirisika ny fampiroboroboana ny fihaonana tahak'izao mba hahafahana mifanakalo hevitra entina hampandrosoana miaraka ny sehatry ny fikarakarana ny marary.
Ao anatin’izany ezaka izany, mitondra anjara biriky lehibe ireo mpisehatra amin’ny Fampatoriana sy ny Famelomana Aina (Société d’Anesthésie et de Réanimation de Madagascar), tamin’ny alalan’ity Kongresy andiany faha-14 ity, izay notronin’Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka tao Vakinankaratra.
Ny tanjona dia mazava :
Hanavao fahalalana sy fahaiza-manao,
Hanaraka ireo zava-baovao ara-tsiantifika,
Hifanakalo fahalalana momba ny ady amin’ny aretina vokatry ny otrikaretina sy mikraoba,
Hifampizara traikefa amin’ny fandraisana an-tanana ireo tranga toy ny ratra, may, tsy fahatsiarovan-tena, sns...
Mandray anjara mavitrika tamin'ity hetsika ity, ihany koa ireo laboratoara amin’ny fampahafantarana ireo fanafody miasa sy ilaina amin'ny resaka fampatoriana sy famelomana ny aina.
Tsiahivina fa nialohavan’ny fizaham-pahasalamana faobe natao amin’ny CHRR izao fihaonambe izao.
Mankasitraka ireo rehetra tonga nandray anjara ary mirary fahombiazana feno mandritra ny kongresy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DRSP VAKINANKARATRA - COMM 01-oct.-2026