[FARITRA ANDROY - MPIASAN'NY FAHASALAMANA MITSINJO NY VAHOAKA]

FAHASALAMANA MANATONA NY VAHOAKA

Mazava ny toromarika nomen'ny Fitondram-panjakana, amin'ny sehatry ny asa izay ataon'ireo rantsamangaikany amin'ny an-davanandro, fa tsy maintsy atao vaindohan-draharaha ny fikarakarana ny vahoaka fa indrindra ny asa rehetra izay atao dia mila mipaka mivantana amin'ny vahoaka Malagasy.

Manamafy izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ary ohatra amin'izany izao hetsika nataon'ireo mpiasan'ny fahasalamana avy ao amin'ny Faritra Androy izao, ho fanamafisana hatrany ny fahazoan’ny vahoaka tolotra ara-pahasalamana, koa natomboka tamin'ny andron'ny alatsinainy 28 septambra 2026 teo, ny hetsika "Clinique Mobile" tao amin’ny Faritra Androy.

Ity hetsika ity dia tanterahin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, UNICEF, ka mikendry ny hanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ny mponina.

Mankasitraka sy maneho fisaorana ny Fitondram-panjakana ary ny UNICEF amin’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa, ny amin’ny fanatanterahana izao paikady izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary: DRSP ANDROY. 02-oct.-2026