FIVORIANA FANDAMINANA SY FANOMANANA NY TOMPON'ANDRAIKITRY NY TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA

Nanao fivoriana ho fametrahana ireo toromarika sy torolalana ary ny fandaminana rehetra ho an'ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe na "Campagne de vaccination intégré", niarahana tamin’ireo CSB tao amin’ny Distrikan'Antalaha, Andapa sy Vohemar ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon-antoka aminy.

Nifantoka tamin’ny fandinihana ny paikady hoenti-manatanteraka izany "Campagne de Vaccination" izany ny tanjona, ary marihina fa ho tanterahina manomboka ny 05 ka maharitra hatramin'ny 09 Oktobra 2026 izany.

Ny zava-dehibe amin'ity hetsika ity, ny hiarovana sy hanamafy ny fahasalaman’ireo zaza amin’ny alalan’ny vaksiny.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitaleavan'ny serasera.Sary : DRSP SAVA - COMM. 02-oct.-2026