VONJY AINA : "AMBULANCE" VAOVAO HO AN’I MIDONGY ANDREFANA!
Midongy Andrefana
Manamafy ny vonjy taitra sy manakaiky ny vahoaka ny Fitondram-panjakana.
Ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia nametraka ambulance vaovao ho an’ny mponin’i Midongy Andrefana, ho fanatsarana ny fitaterana ireo marary mila fitsaboana maika.
145 km miala ny CHRD Ambatofinandrahana, ary mbola sakana lehibe amin’ny famonjena aina ny faharatsian’ny lalana, ka kamiao no anisan’ny fitaovam-pitaterana ampiasaina any an-toerana.
Vahaolana lehibe ho an’ny famonjena aina, ny fahazoana izao "ambulance" izao izay ahafahana manamora ny fitaterana ireo marary mila vonjy taitra sy ny fandraisana an-tanana azy ireo eny amin’ny CHRD Ambatofinandrahana.
Kaominina telo no hisitraka izany, dia i Mangataboahangy, Amboropotsy ary Mandrosonoro, izay ahitana mponina manodidina ny 100.000.
Tsy tokony ho sakana amin’ny famonjena aina intsony ny halaviran-toerana sy ny fahasarotan’ny lalana.
Ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia manohy ny ezaka ho fanamafisana ny vonjy taitra sy fanatsarana ny fahazoan’ny Malagasy fitsaboana, indrindra ireo monina any amin’ny toerana lavitra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary :DRSP AMORON'I MANIA - COMM. 16-oct.-2026