FIVORIANA HO AN'NY PAIKADY HO FANAVAOZANA NY RAFI-PAHASALAMANA HO FANAMAFISANA NY FITANTANANA SY NY FANDRINDRANA

Notanterahina ny 16 oktobra 2026, tao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ambohidahy, ny fihaonana stratejika teo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque mondiale).

Ny fivoriana dia notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Ephraïm Stéphanson RANDRIANAMBININA.

Nanatrika ny fivoriana ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena, izay notarihin’ny Tale misahana ny sehatry ny Fahasalamana, ny Sakafo sy ny Mponina eo anivon’ny Vondron’ny Banky Iraisampirenena, Andriamatoa Ernest E. Massiah, ireo solontenan’ny Minisitera voakasika ary ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ity fihaonana ity dia nifantoka tamin'ny fitadiavana ireo paikady entina manatsara ny rafi-pahasalamana ahafahana manome tolotra ara-pahasalamana mamaly ny filàn'ny vahoaka.

Nodinihina ny fanomezana fahaleovantena misimisy kokoa ny tobim-pahasalamana eo amin’ny sehatry ny fitantanana. Ny tanjona amin’izany dia ny hanatsarana ny fanaraha-maso ny asa, ny fahafahana mamaly haingana ny filàn’ny mponina arakaraka ny zava-misy eny ifotony, ary ny fampiasana amim-pahombiazana ny loharanon-karena misy.

Nojerena ihany koa ny fitantanana ny mpiasan’ny fahasalamana, mba hamahana ny tsy fahampian’ny mpiasa sy hamporisihana azy ireo hijanona eo amin’ny toeram-piasany. Tafiditra amin’izany ny fandrindrana sy ny fizarana ny mpiasa araka ny filàna, ary ny fanamafisana ny fiofanana, mba hanatsarana ny fivelaran’ny tolotra sy ny kalitaon’ny fitsaboana azon’ny mponina.

Farany, ny fanavaozana nomerika eo amin’ny sehatry ny fahasalamana (numérisation de la santé), izay natao hanatsarana ny fanaraha-maso ny asa sy ny fandrindrana eo amin’ireo rafitra voakasika, mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toerana.

Izy ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Banky Iraisam-pirenena, ho fanohanana ny fanavaozana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara.

Ny tanjona dia ny hanamafy ny fahombiazan’ny fitantanana, hanatsara ny fampiasana ny loharanon-karena ary hampiroborobo ny fanavaozana nomerika, ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 16-oct.-2026