MISSION MÉDICO CHIRURGICALE

Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana

Ankoatran'ireo tolotra fahasalamana maimaimpoana maro atolotra ho an'ny mponin'i Vangaindrano sy ny manodidina mandritra izao hetsika ara-pahasalamana izao, dia misitraka fandidiana maimaimpoana ihany koa ireo izay mila izany, araka ny toe-pahasalamana sy ny fijerena ary ny fanapahan-kevitrin'ny Mpitsabo.

Santionany amin'izany ny Fandidiana hernie, kyste, lipome, appendicite, sns...

Tao ihany koa ny fitsaboana sy fizahana maso maimaimpoana.

Ny mahakasika ny fahasalaman'ny nify sy ny ati-vava amin'ny alalan'ny fanolorana solonify maimaimpoana.

Laharam-pahamehana hatrany ho an'ny Fitondram-panjakana ny fahasalaman'ny isam-batan'olona.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DGFS. 16-oct.-2026