ADY AMIN'NY TAZOMOKA - HETSIKA FIZARANA MAIMAIMPOANA TAKELAKA MANAPARITAKA ODIMOKA (DIFFUSEUR SPATIAL) ANATY TRANO
SDSP MORONDAVA - DRSP MENABE
Tanteraka androany 19 Oktobra 2026 ny fanombohana ny hetsika sosialy fametrahana maimaimpoana ny takelaka manaparitaka odimoka (Diffuseur spatial - DS).
Amin'izao fotoam-panavaozana izao, dia mijery ny paikady rehetra ny Fitondram-panjakana entina hanamafisana fa indrindra hanafainganana ny fanafoanana ny tazomoka eto Madagasikara.
Izany "Diffuseur spatial" izany dia fitaovana vaovao, entina manampy sy manamafy ireo paikady fisorohana izay efa napetraka hatramin'izay, entina mandroaka moka sy hiadiana amin'ny aretina Tazomoka, izay ho apetraka isan-tokatrano. Ny marika hozaraina mandritra izao hetsika izao dia ny "Gaurdian" vokarin'ny orinasa vahiny SC Johnson ary maharitra 12 volana ny faharetany.
Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany sy nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson, notronon'ireo Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ekipan'ny Fandaharan'asa Nasionaly misahana ny ady amin'ny Tazomoka, ireo manam-pahefana isan'ambaratongany tao an-toerana dia ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe, Ny Lefitry ny Lehiben'ny Fileovan'i Morondava ary ny Lefitry ny Ben'ny Tanànan'i Bemanonga.
Tokatrano maro ao amin'ny Kaominina 5 mandrafitra ny Distrikan'i Morondava no hisitraka ity takelaka ity.
Tsiahivina fa ahantona amin'ny rindrina ao anatin'ny trano fonenana izy io, izay mamoaka tsikelikely ireo akora mamono ny moka, izay entin'ny rivotra ao an-trano ary tsy misy atahorana sy voka-dratsy amin'ny fahalasalamana.
Tolorana fisaorana manokana ireo mpiara-miombon'antoka nanohana sy niara nisalahy tamin'izao hetsika izao dia ny Governemanta Amerikanina amin'ny alalan'ny Tetikasa PMI EVOLVE.
Ankasitrahana koa ireo rehetra izay nanampy tamin'ny fanatontosana ireo hetsika rehetra ireo fa indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra izay nifarimbona tao anatin'izany.
Ny Tanjona dia mazava : MALAGASY TDY HO FATIN''NY TAZOMOKA.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary :DRSP MENABE - COMM. 19-oct.-2026