FANATSARANA NY KALITAON'NY FITSABOANA : HAMPANDROSOINA NY SAMPANA

Nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira sy ireo Delegasiona avy amin'ny Australian Doctors For Africa, izay nifantoka tamin’ny fampandehanana sy ny fampandrosoana ny Sampana Endoskopie vaovao ao amin’ny Hôpitaly CHUJRA.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nojerena ireo fepetra ilaina amin’ny fampandehanana amim-pahombiazana ity Sampana ity, indrindra ny fandaminana ny fitantanana, ny fanendrena ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana, ny fanamafisana ny isan’ny mpiasa ary ny fametrahana rafitra ara-bola maharitra.

Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitiliana sy ny fitsaboana, indrindra ho an’ireo marary mila fitsaboana manokana na vonjy taitra noho ny aretina mahazo ny taovam-pandevonan-kanina.

Ankoatra ny asa fitsaboana, dia kendrena ny hampivelatra ity Sampana ity ho Foibe Nasionaly misahana ny endoskopie, ny fanofanana ary ny fikarohana ara-pitsaboana, ka hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy hanatsara ny tolotra omena ny vahoaka.

Mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanavaozana izao tetikasa izao izay mikatsaka hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara sy ny hahafahan’ny tsirairay misitraka tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny filàny.

Tanjona iombonana araka izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fanitarana ny fahafahan’ny rehetra misitraka izany.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 16-oct.-2026