ADY AMIN'NY TAZOMOKA
02 Oktobra 2026 – CHUJRA, Amphithéâtre
«Ezaka sy andraikitra iombonana ny ady amin'ny tazomoka...»
#Enseignement_Post_Universitaire (EPU)
Tontosa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalan'ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy, izay mandray an-tanàna mivantana ireo mararin'ny tazomoka eny anivon'ny toeram-pitsaboana, na miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana.
Nanome voninahitra ny fotoana, nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr. TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc.
Paikady efa napetraky ny Fitondram-panjakana entina hanatsarana ny fandraisana an-tanàna sy fitsaboana ny tazomoka manerana an'i Madagasikara.
Fitsirihana sy famantarana haingana ireo tranga ahiana ho tazomoka hisorohana ny fahataran'ny fandraisana an-tanàna, indrindra ireo tranga misy fahasarotana.
Fanamafisana ny fampiharana ny Torolalana nasionaly momba ny fandraisana an-tanàna ny tazomoka.
Fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana traikefa ho fanamafisana hatrany ny fitovian'ny fandraisana an-tanàna ny tazomoka manerana ny Nosy, izany rehetra izany dia zava-dehibe amin'ny fanavotana ny ain'ny vahoaka.
Fampiofanana notanterahina teo ambany fiahian'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Service d'Appui à la Recherche, à la Formation Continue et à la Gestion de Connaissances (#SARFCGC) eo anivon'ny DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins.
Fiaraha-miasa niarahana tamin'ny Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar, ny Société de Pathologie Infectieuse de Madagascar - SPIM sy ny Mpiara-miombon'antoka Laboratoire pharmaceutique M-generic.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary :DGFS 02-oct.-2026