NY ZAZA VOAARO ANDROANY, TARANAKA SALAMA RAHAMPITSO
Manomboka androany ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny kitrotro sy ny lefakozatra, miaraka amin’ny fanomezana Vitamina A, ho fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy manerana ny Nosy. Tanjona ny hahatratra ny zaza rehetra, ka tsy hisy zaza ho adino na dia iray aza.
Asa mivaingana ho an’ny vahoaka Malagasy no tanterahina amin’ny alalan’ity hetsika ity, izay tafiditra ao anatin’ny Pôlitika ankapoben’ny Fanavaozana.
Nitarika ny lanonana fanombohana ny fanaovam-baksiny ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, anisan’izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MAGNANA Monira.
Ity hetsika nasionaly ity dia mikendry indrindra ny hiaro ny ain’ny ankizy, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiarovana amin’ireo aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vaksiny, ary ny fanatratrarana ireo zaza mbola tsy nahazo vaksiny na tsy nahavita ny tetiandrom-panaovam-baksiny.
Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Praiminisitra fa natao hiarovana ny ain’ny Malagasy ny volam-panjakana. Ao anatin’izany, dia hisy ny fanamafisana ny teti-bola natokana ho an’ny fanaovam-baksiny, mba hahafahana manamafy hatrany ny ezaka fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra ny ankizy.
Ramatoa Minisitra kosa dia nanentana ireo Ray aman-dreny hitondra ireo zanany sy hiara-hientana amin’ireo Mpiasan'ny Fahasalamana ny amin'ny fanaovana vaksiny nandritra ny lahateniny.
Nampiavaka ity andro ity ihany koa ny fanolorana fiara mpitondra marary (ambulances) miisa 6, izay haparitaka any amin’ireo hopitalim-panjakana, ho fanatsarana ny fahafahana mahazo fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Nandritra izany ihany koa ny fanehoana fankasitrahana tamin-dRamatoa Mpisolontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, indrindra amin’ny ezaka fanatsarana hatrany ny fahasalamana sy ny fiarovana ny ain’ny ankizy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 05-oct.-2026