Fijerena ny maha-olona
FONDS D'URGENCE
NAMPIHENA NY VESATRY NY ARETINA VOKATRY NY VOINA TAMPOKA NY FISIAN'NY FONDS D'URGENCE ENY ANIVON'NY HOPITALIM-PANJAKANA SY NY TOBIMPAHASALAMANA

Miezaka ny Fitondram-panjakana ankehitriny izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, manatsara ny rafi-pahasalamana misy eto Madagasikara. Asa izay imasoan’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ho fampiroboroboana ny lafin’ny maha olona ny fahafahan’ny Vahoaka misitraka fahasalamana tsara kalitao sy manaraka ny fenitra, izay tafiditra tanteraka ao anaty politika ankapoben’ny Fanjakana.
Tsy misy manairy ny harary koa ny ankaroan’ny Malagasy dia misedra olana raha sendra ny tampoka ka miditra hopitaly vokatry ny aretina ary maro no sahiran-tsaina amin’ireny fotoan-tsarotra ireny.
Ho fitsinjovana ireo olona tojo tsy fahasalamana tampoka, toy ny Lozam-pifamoivoizana, ireo aretina maro samihafa izay mety mahazo ny tsirairay, dia natao maimaim-poana ny fisitrahana ny « vonjy aina » na « Fond de premiers soins d’urgence » eny anivon’ireo Hôpitaly miankina amin’ny fanjakana,izay tonga hatr’ny anivon’ireo CSB nanomboka tamin’ity taona 2024 ity.
Satria « Sarobidy tokoa ny Aina » dia nanampy sy namaha ny olan’ny olona maro araka izany ny fisian’ny tolotra maimaim-poana ary nanafaingana ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo marary ho fanavotan’aina.
Paik‘ady iray izay nirosoan ‘ny Fitondram-panjakana ny fampahafantarana izany ho an’ny sarambabembahoaka, ahafahana misoroka ny kolikoly, ary mampirindra an-tsakany sy an-davany ny andraikitra izay iantsorohan’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Nanomboka ny 15 Oktobra 2021 ny nametrahan’ny Filoha tamin’ny fomba ofisialy an’io fonds de premiers soins d’urgence io ary efa aman’hetsiny ny Vahoaka Malagasy tra-doza na narary tampoka no efa nisitraka izany tolotra izanymandrak’ankehitriny.
SCM/DIRCOM 15-mars-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...