Fijerena ny maha-olona

FAHASALAMANA MANAKAÍKY VAHOAKA :fahasalamana tsy misy anavahana

 Ny Fitondram-panjakana Malagasy, amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia manome lanja ny fahasalamana ho an’ny vahoaka rehetra, tsy misy fanavahana.  

Maro ireo olona nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka napetraky ny fanjakana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo vondrona marefo, toy ny voafonja. Natao ihany koa ny fidinana ifotony nifandrimbonan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka , ny ministeran'ny Fitsarana ary ny ministeran’ny Rano Fahadiovana sy Fidiovana , izay nahitana fanadiovana ireo fonja, fanomezana tolotra ara-pahasalamana sy fanamafisana ny fanentanana momba ireo aretina azo sorohiIzao hetsika izao dia notanterahina ho an’ireo voafonja tamin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara, toa an’i Analamanga, Alaotra Mangoro, Ambovombe,Atsimo andrefana, Matsiatra Ambony, Farafangana,Fitovinany, Itasy, Sava, Toamasina, Toliara, Vatovavy. Maneho ny fahavononany ny Ministera hahatratra sy hanome tolotra na aiza na aiza ny toerana, ary indrindra ny fiaraha mientana amin'ny Ministera hafa toy ny ao amin'ny Fitsarana sy ny Rano,  Fanadiovana ary ny Fidiovana amin'ny izao hetsika izao.   

 

#Ministeran_ny_Fahasalamam-bahoaka

#Ministeran_ny_Fitsarana

#Ministeran_ny_Rano_sy_ny_Fahadiovana_ary_ny_Fidiovana

#FahasalamanaHoAn’nyRehetra  

#FahasalamanaSyFandraisanaAn-Tananana.  

 

SCM/DIRCOM 20-nov.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités