NITSIDIKA AN-DRAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA IREO PROFESORA

Tonga niarahaba sy nanao fitsidihana ara-pombam-panajana ny Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ireo solontenan’ireo Profesora vao nahavita « Agrégation », tamin'ny Concours National d’Agrégation en Médecine Humaine farany teo.

Nandritra ny fihaonana dia niarahaba ireo Profesora Ramatoa Minisitra ary naneho ny fankasitrahany noho ny ezaka sy ny fahavononana nasehon’izy ireo nandritra ny dingana rehetra nahazoana izany mari-pahaizana izany. Nirary fahombiazana ihany koa izy amin’ny andraikitra vaovao miandry azy ireo eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny fikarohana.

Nifantoka tamin’ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera sy ny tontolon’ny Anjerimanontolo ihany koa ny fifanakalozan-kevitra. Nohamafisina manokana ny lanjan’ny fampitana fahalalana sy traikefa, ary ny fampiofanana ireo taranaka ho mpitsabo.

Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo Profesora Ramatoa Minisitra, ary nanentana azy ireo mba ho modely sy loharanon’ny fahalalana ho an’ireo mpitsabo, indrindra amin’ny alalan’ny fizarana ireo fahaiza-manao sy traikefa ananan'izy ireo. Manana anjara toerana lehibe amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny Fitondram-panjakana ankehitriny, fanolorana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny Malagasy tsirairay tokoa mantsy ny Profesora. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana hatrany ny ady amin’ny kolikoly, ho fiarovana ny fahitsiana sy ny fahatokisan’ny vahoaka.

Ho mariky ny fifanajana sy ny fifandraisana dia nanolotra mari-pahatsiarovana ho an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ireo solontenan’ireo Profesora nandritra izao fihaonana izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 06-oct.-2026