FAHASALAMAN'NY ZAZA - MPIASAN'NY FAHASALAMANA MANDRAY ANDRAIKITRA AM-PITIAVANA

Miditra amin'ny andro fahatelon'ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin'ny lefakozatra, ny kitrotro sy fanomezana vitamina A ny zaza latsaka ny 5 taona isika izao.

Mizotra am-pilaminana izany hetsika izany manerana ny nosy, santionany amin'izany ny ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, mpiasan'ny fahasalamana tonga eny ifotony, mitety vohitra, mitsaka rano sy mamakivaky ala ny amin'ny fanatanterahana izany. Na dia eo aza ny haratsian'ny toetr'andro sy ny rotsan-korana any amin'ny tapany atsimo, tanteraka izany nohon'ny fiaraha-mientan'ireo mpiantsehatra rehetra sy ny mpiara-miombon'antoka.

Zava-dehibe tokoa ny fahasalamana indrindra ho an'ireo zanatsika, izay mbola voasokajy anatin'ny marefo ka ny tanjona mandritra ity hetsika ity, dia tsy misy zaza, na fokotany, ary toerana hadino na ny anatin'ny ala aza toy ireo havana any amin'ny tanin'ny Mikea ireny dia tratrarina avokoa satria laharam-pahamehan'ny politikan'ny Fitondram-panjakana amin'ity hetsika ity ny fisitrahanan'ny vahoaka Malagasy fahasalamana ary tsy misy zaza tsy ho vita vaksiny na iray aza nohon'ny halavairan-toerana.

Mankahery hatrany ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpisehatra rehetra amin'izao adidy masina iatrehan'izy ireo ho an'ny fahasalamam-bahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP ATSIMO ANDREFANA - FITOVINANY - BETSIBOKA - BOENY - ANALANJIROFO - COMM 07-oct.-2026