Rindram-baiko na application Izaho sy ny sombin'ny Aiko : fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza
MAHAJANGA : Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fampiasana ny Rindram-baiko na application Izaho sy ny sombin'ny Aiko - Dingana lehibe ho an'ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza
Mahajanga faha 7 oktobra 2026 - Tao amin'ny Tranoben'ny Serasera Akory Aly, Mangarivotra, no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny Rindram-baiko amin'ny finday Izaho sy ny sombin'ny Aiko.
Lanonana teo ambany fitarihan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, teo anatrehan'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana ny Faritra Boeny sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra.
Ity Rindram-baiko na "application" ity dia novolavolain'ny FISA Madagascar ao anatin'ny tetikasa Fiomanana amin'ny fiterahana na Préparation à la Naissance (PAN) miaraka amin'ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin'ny ONG Enfants du Monde, ny Fondation AXIAN, UNFPA ary ny IPPF, izay manamafy ny paikadin'ny Fitondram-panjakana hanakaiky kokoa ny vahoaka amin'ny alalan'ny nomerika amin'izao fotoam-panavaozana izao.
Manaporofo ny fandraisana andraikitra ataon'ny Fitondram-panjakana ny toy izao : Amin'ity tetikasa ity, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, amin'ny alalan'ny Fitaleavana misahana ny Fahasalaman'ny Fianakaviana (Direction de la Santé Familiale) sy ny Fitaleavana misahana ny Serasera (Direction de la Communication), dia manana anjara toerana eo amin'ny ivon'ny fandrindrana ankapobeny toy ny :
Kalitaon'ny fampahalalana voarafitra ao anatin'ny Rindram-baiko : Ny hafatra rehetra momba ny fisafoana na CPN, ny vaksiny, ny fandrindrana fiterahana sy ny fanabeazana ara-pananahana dia nohamarinin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka mba hifanaraka amin'ny Politika Nasionalin'ny Fahasalamana.
Fampihenana ny fandaniana : Manamafy ny Fitondram-panjakana fa maimaimpoana tsy misy sarany, manaja ny zo tanteraka ary azo antoka ny angon-drakitra ho an'ireo mpampiasa tsirairay.
Fanampariahana ny Rindram-baiko eny ifotony: Amin'ny alalan'ny CSB sy ny mpiasan'ny fahasalamana, ny mpanentana ara-pahasalamana ary ireo mpanao gazety misehatra amin'ny haino vakijery manerana ny Faritra Boeny no hiara-hisalahy amin'ny fanaparitahana sy fapahafantarana ny vahoaka hampiasa ilay ny Rindram-baiko Izaho sy ny sombin'ny Aiko
Tsy fampiharana fotsiny ny Izaho sy ny sombin'ny Aiko, fa fitaovam-panjakana manohana ny fahasalamana ary manampy tanteraka ireo Reny mandritra ny fotoana hitondrany vohoka. Ny fizarana izany sy fampahafantarana azy amin'ny ny olon-drehetra dia efa fihetsika miady mivantana amin'ny fampihenana ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza vao teraka. Izay no atao hoe fitondrana manakaiky vahoaka.
Ny fampiharana "Izaho sy ny sombin'ny Aiko" dia efa azo alaina maimaimpoana ao amin'ny Play Store ary amin'ny teny Malagasy tanteraka.
Ity lanonam-panokafana ity dia manamafy ny vina iombonan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny FISA Madagasikara.
Dingana manaraka hirosoana ny fanaparitana ho fampiasana ny Rindram-baiko "Izaho sy ny sombin'ny Aiko ho an'ny Faritra rehetra eto Madagasikara mba ahafahan'ireo ho Reny rehetra misitraka izany, izay hanampy azy hisoroka ny loza mety hitranga mandritra ny fitondrana vohoka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 07-oct.-2026