FAMPITAM-BAOVAO AVY AMIN'NY MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Tranga fahapoizinana ara-tsakafo teo amin'ny olona maro tao amin'ny orinasa lehibe iray.

Nahitana tranga fahapoizinana ara-tsakafo teto an-drenivohitra androany. Mpiasa maro no tratran'izany ary voatery nentina haingana namonjy ny tobim-pahasalamana : CHUJRA, CHU Andohatapenaka, CHUJRB, CHENOSOA, CHRD Ambohidroa ary CHU Anosiala.

Raha araky ny fanairana azo ny amin'ny fisehon'ny soritraretina mitovy (nandoha, nivalana, reraka be) teo amin'ireo olona maromaro miasa ao amin'io orinasa KONECTA Ivandry io, rehefa avy nihinana sakafo tao amin'ny "cafétéria" tao amin'io orinasa io ihany izy ireo.

Teo no eo ihany dia nandray an-tanana ny marary ireo mpiasan'ny fahasalamana ary efa eo an-dalam-pitsaboana avokoa izy ireo izay ny Fitondram-panjakana no miantoka ny lany rehetra amin'izany.

Tsy niandry ela ihany koa dia nanomboka nanao fanadihadiana ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana sy ny ACSSQDA ary ny Tompon'andraikitra ara-pahasalamana eo anivon'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga, izay ireo rantsana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka mba ahitana ny marina amin'izao fahapoizinana ara-tsakafo izao.

Manoloana izao tranga izao, dia manao antso avo ny Minisitera ny hitandremana hatrany ny fahadiovana eo amin'ny fikarakarana ny sakafo, ny fahatsaran'ny kojakoja hanaovana ireny sakafo ireny, ary indrindra indrindra ny tsy fampiasana intsony ireo akora efa lany daty.

Mirary fahasitranana feno ho an'ny marary ny Fitondram-panjakana ary mankasitraka ny fandraisana andraikitra nasehon'ireo mpiasan'ny fahasalamana manoloana izao tranga izao.

Lahy tokana ny aina ka aoka mba samy hitandrina ny tsirairay.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 08-oct.-2026