ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY FAHITANA 2026 :
MAHAJANGA - 8 OKTOBRA 2026
Tontosa ny lanonana ôfisialy ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahitana 2026, izay mitondra ny lohahevitra : "TIAKO NY MASOKO". Ny Fitondram-panjakana dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny hetsika dia notanterahina tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoka Boeny.
Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Ambonivohitry Mahajanga, ny Solotenan’Andriamatoa Prefet-n’i Mahajanga sy ny Lehiben’ny Faritra Boeny, ireo Talem-paritra sy Tompon'andraikitra sivily sy miaramila, ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana maso, mivondrona amin’ny Fikambanan’ny “Société Malgache d'Ophtalmologie (SMO)”. Nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ôfisialy ny Talen’ny Fitaleavana misahana ny Ady amin'ny Aretina tsy Mifindra.
Tao anatin’ny fanamarihana ny Andro manerantany ho an'ny Fahitana (Journée mondiale de la Vue) izany, dia nanatanteraka hetsika sosialy maimaimpoana ho entina nanatonana ny mponina toy ny fijerena maso sy fandidiana katarakta ary fanolorana maso-tavoahangy (prothèse oculaire) tao amin'ny CHU PZaGa Androva.
Nitohy tamin’ny fizahana maso maimaimpoana ny hetsika ho an'ny fahitana akaiky (vue de près), "réfraction et lunetterie", fijerena maso ho an'ireo zaza sy olon-drehetra teo anoloan’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nisy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo fepetra sy fihetsika fisorohana ary fitsaboana teny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra tao Mahajanga, tao ihany koa ny famelabelaran-kevitra ara-tsiantifika izay nataon’ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana maso.
Tratra ny tanjona izay napetraka nandritra izao hetsika izao satria nahavita nanentana manodidina ny 500 olona, fizahana maso maimaimpoana mihoatra ny 1000 sy voatily, maherin'ny 500 olona no notolorana solomaso, 25 olona kosa nahazo fandidiana katarakta, ary manodidina ny 760 olona voatily amin'ny tosi-drà avo sy diabeta.
Maneho fankasitrahana tamin’ny fiaraha-mientana nasehon'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ny OMS, Société Malgache d'Ophtalmologie (SMO), ny CBM amin'ny alalan'ny Tetikasa Mahita pédiatrique, ny ASOS, ny Institut de la Vision, ny Lions Sight First Madagascar, ny MASO optique, ny SALFA, ary ireo "Association œuvrant en santé oculaire de proximité" amin'izao ezaka fanatonana ny vahoaka izao.
Midera ihany koa ny fanoloran-tenan'ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra tamin'ny fanatontosana izao hetsika izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP BOENY - COMM. 08-oct.-2026