Kongresy faha-XVI Fikambanan’ny manampahaizana sy mpitsabo momban'ny Maso eto Madagasikara (Société Malgache d'Ophtalmologie)
Ny 08 sy 09 oktobra 2026, dia nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny fahitana ireo mpikambana ireo, ka nanatanteraka ny Kongresy faha-XVI ny Fikambanan’ny mpitsabo momba ny Maso eto Madagasikara (SMO).
Marihina fa hetsika ara-tsiansa lehibe izay sehatra ifanakalozana fahalalana, hizarana traikefa ary hanarahana ny fivoarana farany eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny maso ny Kongresy.
Nandritra ny roa andro, dia nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny alalan’ny famelabelarana ara-siantifika ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny maso. Anisan’ny lohahevitra nodinihina tamin’izany ny :
Ny fitsaboana ny aretin’ny maso amin’ny ankizy, izay nifantoka manokana amin’ny rétinoblastome (homamiadan’ny temimaso) sy ny glaucome (aretin’ny maso mety hiteraka fahajambana).
Ny aretin’ny maso sy ny fifandraisany amin’ny toe-pahasalamana eo an-toerana sy isam-paritra.
Ny tsy fahatomombanan’ny fahitana vokatry ny olàna amin’ny fampifantohan’ny maso ny sary (troubles de la réfraction).
Ny katarakta, izay aretin’ny maso mampanjavozavo ny fahitana.
Ireo lohahevitra ireo dia natao hanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny fitiliana mialoha, ny fitsaboana sahaza ary ny fisorohana ny aretin’ny maso, indrindra fa eo amin’ny ankizy.
Ny Fanentanana sy fanabeazana ho fiarovana ny fahitana dia singa anisan’ny nampiavaka ity kongresy ity satria tokoa nisy ny Fampahafantarana ireo hetsika, Fanabeazana ary Fifandraisana (IEC) nataon’ny SMO, izay mifandraika amin’ireo lohahevitra nodinihina nandritra ny kongresy.
Ireo hetsika ireo dia mikendry ny hanamafisana ny fanentanana ny vahoaka sy hampiroboroboana ny fomba fanao tsara amin’ny fiarovana sy fikarakarana ny maso.
Ny Fitondram-panjakana dia manome malalaka ny hetsika ara-tsiansa tahak'izao, no sady manamafy ny fanoloran-tenany ny mpisehatra toy ny SMO amin’ny fisorohana ny fahajambana azo sorohina, ny fanatsarana ny fitsaboana ireo aretin’ny maso ary ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny maso eto Madagasikara, izay mifameno tanteraka amin'ny vinan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny amin'ny fametrahana fa Zon'ny vahoaka rehetra ny misitraka fahasalamana amin'ny lafin'ny rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP BOENY - COMM 10-oct.-2026