MPISAN’NY FAHASALAMANA NIHARAN’NY ASAN'JIOLAHY REHEFA AVY NANATANTERAKA NY ASA MASINA HO AN'NY TANINDRAZANA
Araky ny vaovao voaray, dia nisy mpiasan’ny fahasalamana iray ao amin’ny CSB II Marovato, Distrikan’Andilamena, no niharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny alakamisy 08 oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, raha teny an-dalana hody rehefa avy nanatanteraka ny asa ao anatin'ny hetsika fanaovam-baksiny VAR/polio sy fanomezana vitamina A tany Antsinanana Andranotsara.
Vokatry ny fanafihana dia naratra mafy izy, ary niady mafy, ka tonga tao amin’ny CHRD II Andilamena ny 10 oktobra 2026. Araky ny fizahana nataon’ny mpitsabo, dia nahitana fahavakisan’ny taolan’ny saokany sy ratra maro hafa izy, ka ilaina ny famindrana azy maika any Antananarivo mba hahazoany fitsaboana manokana nohon'ireo ratra ireo.
Manoloana izao tranga mampalahelo izao, dia noraisiny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana ny fikarakarana ny ara-pitsaboana rehetra (fanafody, Fitarafana...) no manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-pahasalamany ireo mpitsabo ary efa mikasa ny hamindrana azy any amin'ny CHUJRA Antananarivo ny hanohizana ny fitsaboana manokana.
Etoana dia manameloka tanteraka ny famonoana ny mpiasan'ny fahasalamana, indrindra fa izao tranga mamoetra izao, ny Fitondram-panjakana, ary manaraka akaiky ny raharaha sy ny fijerena ireo fepetra mifanaraka amin’ny lalàna manoloana ireo nahavanona izao asa ratsy izao.
Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia mirary fahasitranana feno ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana, mpiara miasa nieren-doza ary mankahery ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra amin'ny fanatanterahana ny asa masina ho an'ny fahasalamam-bahoaka izay tsy mikely soroka mitety vohitra, na andro na alina, manatona ny vahoaka mba tsy hisy intsony zaza tsy misitraka vaksiny izany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. DRSP ALAOTRA MANGORO COMM - CHRD II ANDILAMENA. 10-oct.-2026