FAHASALAMANA MANATONA NY MPONINA - MITSABO SY MANENTANA
Betsiaka, Distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA | 10 oktobra 2026
Tanteraka ny hetsika sosialy maimaimpoana, natao hanakaikezana ny vahoaka, izay nokarakarain'ny Fikambanana FANJIRY, tarihin-dramatoa Elysa RANDRIANIRINA, Vadin'ny Filohan'ny ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nanao tantsoroka ary nandray anjara mavitrika amin'izany ireo mpiasan'ny fahasalamana avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka DIANA (DRSP DIANA), tamin'ny alalan'ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana marolafy sy maimaimpoana.
Maro ireo tolotra ara-pahasalamana natolotra ny vahoaka nandritra izany hetsika, nahitana : fanaovam-baksiny, fizaham-pahasalamana, fizahana maso, fitarafana "échographie", fanalana nify, fiitiliana VIH/SIDA ary diabeta.
Ny Fitondram-panjakana dia mametraka tsara fa ny asa rehetra dia mila mipaka mivantana amin'ny vahoaka, maneho izany izao fiaraha mientana nasehon'ny Fikambanana FANJIRY fa satria ny tanjona dia ny hanakaiky ny vahoaka, hanamora ny fahazoana fitsaboana sy fitiliana, ary hanamafy ny fisorohana ny aretina, indrindra ho an’ireo mponina eny amin’ny toerana lavitry ny tobim-pahasalamana.
Izao hetsika izao, dia tao anatin'ny fitsidihan-dRamatoa Vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana an'i Betsiaka, ary nanotrona azy tamin'izany ireo Vadin'ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, ireo mpikambana amin'ny Governemanta koa anisan'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP DIANA - COMM. 10-oct.-2026