FANAMARIHANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FAHASALAMANA ARA-TSAINA.
Toamasina, 10 Oktobra 2026
Isan'ny paikady iray napetraky ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ho fanamafisana ny fisorohana, entina amin'ny alalan'ny fanentanana sy hetsika sosialy marolafy ny fanamarihana ny Andro manerantany tahak'izao.
Totontosa tao Toamasina nandritra ny roa andro ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny fahasalamana ara-tsaina (Journée Mondiale de la Santé Mentale). "Feo henoagna, fiovagna iarahagna", io no lohahevitra noraisana nandritra ity fanamarihana ity, izay mifandraika amin'ny lohahevitra manerantany hoe :
« Henoina ireo traikefa niainana : feo tena izy, hitondra fiovana ».
Hetsika maro no naroso ho an'ny vahoaka, satria ilaina ny asa misy fiantraikany mivantana amin'ny mponina toy ny :
-
filaharambe mamakivaky ny tanana,
-
fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana,
-
fitiliana diabeta sy VIH,
-
fizahana ny fahasalamana ara-tsaina niarahana tamin'ireo "psychologue",
-
fihainoana sy fanomezana tohana ara-tsaina sy ara-tsosialy ho an'ireo izay nahatsapa fa mila izany.
Ny sabotsy maraina kosa no notanterahina ny fanamarihana tamin'ny fomba ofisialy ity andro manandanja ity, ka ireo rehetra nandray fitenenana dia samy nilaza fa ny fahasalamana ara-tsaina dia ampahany manan-danja amin’ny fahasalamana ankapobeny isika olombelona.
Ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr. ZARA Hassanaly Patrick, dia nanamafy hatrany rehefa nandray fitenenana fa ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin'i Dr. MANAGNA Monira, sy ireo mpiaramiombon'antoka aminy dia manamafy hatrany ny fahavononany hampiroborobo ny fahasalamana ara-tsaina sy hanamora ny fahazoan’ny tsirairay tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’izany, indrindra fa ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy ary ny ady amin’ny fanilikilihana.
Taorian'ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy dia nisy ny fitsidihana ireo tranoheva izay nampahafantarana ny andraikitr'ireo fikambanana miray ao amin'ny "Groupe de travail technique" izay ivondronan'ireo mpisehatra rehetra mandray an-tanana sy manao tantsoroka ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-tsosialy, miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary :DRSP ATSINANANA - COMM. 10-oct.-2026