FANAMARIHANA NY ANDRO MANERANTANY IADIANA AMIN’NY HAROMOTONA 2026: « MIARAKA ISIKA DIA MAHERY KOKOA »
Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro – 10 Oktobra 2026
Notanterahina androany tao Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny fanamarihana ny Andro Manerantany Iadiana amin’ny Haromotona, izay natao teo ambanin’ny lohahevitra hoe: « PLUS FORT ENSEMBLE – MIARAKA ISIKA DIA MAHERY KOKOA ». Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana hanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasan’ireo sehatra voakasika amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny haromotona izao hetsika izao.
Nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Andriamatoa Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nanome voninahitra ny lanonana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, ny fiompiana ary ny tontolo iainana ny fandraisana anjara tamin’izany, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, anisan’izany ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS) sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO).
Nandritra ny lanonana dia nifandimby nandray fitenenana ireo tompon’andraikitra, ka nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny ady amin’ny haromotona. Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo tranoheva sy ny fanentanana ny vahoaka momba ny loza ateraky ny haromotona, ny fomba fifindrany ary ireo fepetra fisorohana tokony horaisina.
Anisan’ny nisongadina nandritra ny hetsika ny fanatanterahana fitiliana VIH sy ny fanaovana vaksiny ho an’ny biby. Ny fitiliana VIH dia ahafahan’ny olona mahafantatra ny toe-pahasalamany sy mahazo torohevitra ary tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’izany. Manampy amin’ny fahafantarana mialoha ny toe-pahasalamana sy ny fahazoana fitsaboana ara-potoana izany.
Etsy ankilany, ny fanaovana vaksiny ny biby, indrindra ny alika sy ny saka, dia iray amin’ireo fepetra lehibe indrindra hisorohana ny fihanaky ny haromotona amin’ny olombelona. Miaro ny biby amin’ity aretina ity ny vaksiny ary mampihena ny mety hampitana ny viriosy amin’ny olona, ka mandray anjara amin’ny fiarovana ny ankohonana sy ny fiaraha-monina manontolo.
Aretina azo sorohina ny haromotona, saingy mety hahafaty raha tsy voaray ara-potoana ny fitsaboana. Raha sendra kaikerin’ny biby ahiana ho mitondra ny aretina, dia tokony hosasana amin’ny rano sy savony mandritra ny 15 minitra eo ho eo ny ratra ary manatona tobim-pahasalamana avy hatrany, mba hahazoana ny fitsaboana sahaza sy ny vaksiny ilaina araka ny torohevitry ny mpitsabo.
Nanasongadina manokana ny maha-zava-dehibe ny fomba fiasa « One Health » na Fahasalamana Tokana ihany koa ity hetsika ity. Fomba fiasa mampifandray ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana izy io, ka mitaky fiaraha-miasa mirindra eo amin’ireo sehatra voakasika mba hanamafisana ny fisorohana, ny fanaraha-maso ary ny ady amin’ny aretina, indrindra ny haromotona. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanohanana izany ezaka iombonana izany ny OMS sy ny FAO.
Amin’ny alalan’izao fanamarihana izao dia hamafisina hatrany ny antso ho an’ny rehetra mba ho mailo sy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny ny biby, ny fanarahana ireo torohevitra momba ny fisorohana ary ny fanatonana tobim-pahasalamana avy hatrany raha sendra kaikerin’ny biby ahiana ho mitondra haromotona.
« PLUS FORT ENSEMBLE – MIARAKA ISIKA DIA MAHERY KOKOA »: satria ny ady amin’ny haromotona sy ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka dia andraikitra iombonana, mitaky firaisankina, fiaraha-miasa ary ezaka maharitra avy amin’ny rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 12-oct.-2026