AKON'NY VARAVARANA MISOKATRA Andiany faha-6 maneran'ny Faritra
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manohy ny fanatanterahana ny Politika ankapobean'ny fanjakana Fijerena ny maha-olona amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka.
Toerana ahitana Ireo Tolotra:
- 97 Hopitalim-panjakana eny amin’ny Distrika,
- 16 Hopitalim-paritra
- 2 Ivontoerana Manokana
Ny tolotra dia mikendry ny fanomezana fisitrahana mitovy amin’ny fitsaboana sy fanampiana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra, manerana ny toerana rehetra eto Madagasikara
Nankasitrahan’ireo mpisitraka ny hetsika, satria nanampy betsaka tamin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny fianakaviana tsirairay.
Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka Manohana sy mijoro ho an’ny vahoaka Malagasy**miasa ho an'ny fampandrosoana ny fahasalamana ho tombontsoa iombonana.
Misokatra ho an’ny rehetra Fahasalamana manantona ny rehetra hatrany
#eo_anilanao_hatrany_ny_ministeran_ny_fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM 25-nov.-2024