ANTSOHIHY | MANAKAIKY NY VAHOAKA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA
Ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia manao ny ezaka rehetra hanatanteraka ny vina manantona ny vahoaka mba hanome azy ireo ny fahasalamana tsara kalitao koa tafiditra ao anatin'izany ny karazana paikady hanatonana ny vahoaka eny ifotony.
Ao anatin'izany dia tonga ao Antsohihy Ambalabe Ouest ny "Cliniques Mobiles".
Nanomboka androany, 12 oktobra 2026, izany hetsika "Cliniques Mobiles" izany, ao Antsohihy, Faritra SOFIA. Fomba fiasa entina hanakaikezana ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana marolafy ary efa vahoaka maro no efa nisitraka izany.
Inona avy ireo tolotra azo raisina ao an-toerana :
Anisan’izany ny fizahana sy fanaraha-maso ny reny bevohoka, ny fanabeazana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fitiliana VIH sy sifilisy, ny fitiliana sy fitsaboana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny vaksiny ary ny fitiliana ny tsifanjariantsakafo. Tolotra maimaimpoana avokoa ireo ary entina hikarakarana akaiky ny vahoaka.
Misy ihany koa ny fanohanana sy fanoroana lalàna ireo olona tratry ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG), atao amin’ny toerana mitokana fa indrindra voatazona ho tsiambaratelo.
Ry mponin’Antsohihy sy ny manodidina, araraoty izao fotoana izao ! Manatòna eny Ambalabe Ouest tany malalaka fa ny hetsika dia mbola hitohy rahampitso 13 oktobra 2026 mba hahazoanao ireo tolotra ara-pahasalamana sy torohevitra maro.
Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia miasa miaraka, hanatona anao ho an'ny fahasalamanao sy ny tokontranonao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 12-oct.-2026