FITONDRAM-PANJAKANA AKAIKY SY MIAHY NY VAHOAKA

ANTSOHIHY

Tratran’ny lozam-pifamoivoizana teo amin'ny lalam-pirenena faha 6 (RN6) alohan'ny idirana Antsohihy ny fiara mpitatitra nitondra ireo Mpampivelona 17 hihazo an’Antsiranana.

Manoloana izany tranga mampalahelo izany dia noraisin'ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ireo Mpampivelona naratra vokatr’izany lozam-pifamoivoizana izany sy fanohanana ny fianakaviana mana-manjo.

Tao anatin'izany dia tonga nitsidika sy nankahery ary nijery ny zava-nisy ireo Malagasy havana ireo, ny Mpikambana amin’ny Governemanta sy ny Tompon'andraikitra samihafa, izay tao Antsohihy, no sady nivatsy solondranom-boakazo sy fanampiana ho vonjy rano vaky amin'izay mety filàna maika ho an'ireo niaram-boina.

Tonga nijery ny zava-misy teny amin’ny hôpitaly ihany koa Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira niaraka tamin'ireo mpiara miasa akaiky aminy, nijery akaiky ny fandraisana an-tanana ara-pitsaboana azy ireo araky ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana fa indrindra nankahery ireo mpiasan'ny fahasalamana mbola manohy fitsaboana amin'izao fotoana izao.

Tao anatin''izany loza izany dia nisy ny mpikambana amin’ny holafitry ny Mpampivelona iray no namoy ny ainy ka noraisin’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fampodiana ny razana ho any amin’ny fianakaviany.

Miondrika am-panajana manoloana izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra ary miara ory amin'ny fianakaviany sy ny holafitry ny Mpampivelona ary ireo mpiara miasa akaiky aminy rehetra.

Amin'izao ora izao dia manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly CHRR Antsohihy kosa ireo mpandeha 16 maratra ka ny 4 amin’izy ireo izay tena voa mafy dia hampiakarina maika ho tsaboina any Antananarivo, amin'ny alalan'ny Angidimby ny Minisiteran'ny Foloalondahy.

Amin'ny fotoan-tsarotra no isehoan'ny Firaisankina sy ny Fiahiana koa tsy avela hitarika irery ny fahoriana ny mpiasan'ny fahasalamana, fa mijoro miaraka amin'izy ireo ny Fitondram-panjakana Malagasy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina - DRSP SOFIA - COMM. 13-oct.-2026