FANJAKANA MIAHY NY VAHOAKA : MANDRAY AN-TANANA NY FITSABOANA IREO NIHARAN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TANY ANTSOHIHY
Noraisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fikarakarana ireo Mpampivelona sy mpamily niharan’ny lozam-pifamoivoizana nitranga omaly tany Antsohihy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitaleavana misahana ny Raharaha Sosialy eo anivon’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Taorian’ny fandefasana azy ireo tamin’ny alalan’ny fiaramanidina, izay efa niainga avy any Antsohihy ary efa migadona tao amin’ny BANI Ivato izy ireo hihazo ny Hôpitaly CHUJRA Anosy, toeram-pitsaboana handraisana azy ireo ho fanohizana ireo fikarakarana ara-pitsaboana.
Raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ny Mpampivelona 4 sy ny mpamily faharoa 1, izy ireo tena mila fitsaboana manokana, ao anatin’izany ny fizahana ara-pahasalamana, ny fitarafana ary ny fikarakarana rehetra izay ilaina mba ho salama soa izy ireo.
Maneho ny firaisam-po sy ny fankaherezana ho an’ireo Mpampivelona niaram-boina ny Fitondram-panjakana, ary mirary fahasitranana haingana sy feno ho azy ireo.
Mitohy hatrany ny fiaraha-mientan’ny Governemanta ny amin’ny fanomezana ny fanampiana sy ny fikarakarana ilaina amin’izao toe-javatra izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 13-oct.-2026