KAOMININA VATOLATSAKA - DISTRIKA BETIOKY

FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Nisehoana loza-pifamoivoizana ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitrin'i Vatolatsaka, ny alatsinainy 12 oktobra 2026 tokony tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo.

Kamiao mpitondra entana izay hihazo an'ny kaominin'i Lazarivo no izao tra-doza izao.

Vokatr'izany dia :

  • olona 02 lahy no namoy ny aina teo noho eo (18 Taona sy 11 Taona),

  • 18 kosa no naratra ka ny 02 amin'ireo no tena naratra mafy ary nalefa ho tsaboina any amin’ny CHRD II Bezaha haingana fa mila fandidiana maika. (Tapataka ny tanany iray izay mpamily Ilay kamiao, ary ny iray dia zaza naratra mafy teo amin'ny lohany),

  • Ny 16 ambiny kosa dia nalefa any amin’ny CHRD II Betioky Atsimo.

Tsy niandry ela moa ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, koa nandray andraikitra ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina raha naheno an'izany loza izany ka tonga dia nidina ifotony avy hatrany nijery akaiky ny zava-misy sy nandray an-tanana ary nanafatra ireo "ambulances" roa ka ny iray nanatitra ireo maratra mafy tany amin'ny CHRD II BEZAHA ary ny iray nanatitra ireo maratra 16 ambiny any amin'ny CHRD Betioky Atsimo.

Tonga niara nientana nandritra izany vonjy Aina izany ny tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fiodiovana, nitatitra ireo marary sy maratra teo amin'ny CSB II Vatolatsaka mandra-pahatongan'ireo fiara mpitatitra marary.

Raisin'ny Fitondram-panjakana an-tanana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka ary maimaimpoana avokoa ny fitsaboana ho an'ireo marary rehetra ireo.

Marihina etoana fa vita soa tamin'ny alina iny ihany ny fandidiana ireo olona roa (02) naratra mafy ary tsy misy ahiahiana ny fahasalaman'izy ireo.

Etoana dia miondrika am-panajana ary miara ory amin'ny fianakaviana manana havana namoy ny ainy ary mankahery sy mirary fahasalamana ho an'ireo izay mbola manaraka fitsaboana amin'izao fotoana izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM 13-oct.-2026