MIFAMPITONDRA NY MAVESATRA - FIARAHA-MIORY AMIN’NY FIANAKAVIANA NAMOY AINA

ANTANANARIVO, ALAROBIA 14 OKTOBRA 2026

Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny Lalam-pirenena faha-6 (RN6)16kms hiditra an’Antsohihy, izay nahafatesana Ramatoa Mpampivelona (rasazy), dia nisy ny famangiana ny fianakaviana mana-manjo sy ny fanaovam-beloma farany ny razana, talohan’ny nitondrana azy any amin’ny fianakaviany.

Ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, no nanatanteraka izany, ka nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira tamin'izany Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, niaraka tamin’ireo delegasiona avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay nisolotenan'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra. Tao amin’ny efitrano lehibe fanaovana lahateny (amphithéâtre) ao amin’ny CHU-JRA no nanatanterahana izany.

Nandritra izany no nitondrana teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana, ary nanolorana fehezam-boninkazo ho mariky ny fiaraha-miory sy ny fanajana ny fahatsiarovana ny nodimandry.

Handry ampiadanana anie Rasazy HERITIANA Nomenjanahary.

Maneho ny fiaraha-miory feno amin’ny fianakaviana mana-manjo ny Fitondram-panjakana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 14-oct.-2026