TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY RENY SY NY ZAZA ARY NY FAHASALAMANA ARA-PAHASALAMANA, MANATONA NY VAHOAKA
Mihamaro ireo mponina mahazo tolotra ara-pahasalamana akaiky azy.
Nitohy ny androny 14 oktobra 2026, tao Antsohihy, Faritra Sofia, ny hetsika Cliniques Mobiles, ka maro ireo mponina tonga nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana.
Ho fiaraha mientana, tao anatin'izany dia tonga nitsidika ny fizotry ny fanatanterahana izany hetsika izany Andriamatoa Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ka nahafahany nijery akaiky ny fandraisana ireo mpisitraka sy ny fanomezana ireo tolotra ara-pahasalamana tao an-toerana.
Fizahana sy fanaraha-maso ny reny bevohoka, fanabeazana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, fitiliana sy fitsaboana, vaksiny ary fitiliana ny tsifanjariantsakafo no isan’ireo tolotra natolotra, niaraka tamin’ny fanohanana sy fanoroana lalana ireo olona tratry ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy (VBG), ao amin’ny toerana mitokana izay tazomina ho tsiambaratelo hatrany.
Satria tokoa Zo fototra ny fahasalamana, dia manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ny manakaiky ny tolotra ara-pitsaboana ho an'ny tsirairay ary manamora ny fahazoan’ny rehetra izany fikarakarana ara-pahasalamana izany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 14-oct.-2026