MISSION MEDICO-CHIRURGICALE
Ao anatin'ny fanatanterahana ny vinan'ny Fitondram-panjakana ny amin'ny fanaovana ny maha vaindohan-draharaha ny vahoaka ho ivon'ny asa rehetra dia nitodi-doha any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanan'i Madagasikara ireto mpiasan'ny fahasalamana ireto.
Hanatevin-daharana ireo Mpiasan'ny fahasalamana any an-toerana, hanatanteraka ny "MISSION MEDICO-CHIRURGICALE", izay paikady iray eo ambany fiahian'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, tanterahan'ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana (DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins), izay manohy ireo ezaka fanamafisana ny fisitrahan'ny rehetra tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin'ny filàna manokana ireo mponina any amin'ny toerana lavitra.
Any Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana mandritra ny 14, 15, 16 oktobra 2026 no hisitraka ireo tolotra ara-pitsaboana maimaimpoana, izay ahitàna fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeny, ny fandidiana maro samihafa, ny fitiliana isan-karazany ary misy fitarafana.
Arahao eto amin'ny pejy ny fizotr'izany hetsika izany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. DGFS 15-oct.-2026