Fijerena ny maha-olona
Fijerena ny maha olona: Orange Day 2024 - Fanoherana ny Herisetra mianjady amin'ny Vehivavy sy ny Ankizivavy

Ny talata 26 novambra 2024, manoloanan'ny Palais des Sports Mahamasina, no notaterahina tamim-pomba manetriketrika ny fanokafana ofisialy ny "Orange Day" Andro Iraisam-pirenena ho hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy.
Nampiavaka izany ny fandavan-tena nasehon-dRamatoa Mialy RAJOELINA , vadin’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara, Reny mpiahy ny Malagasy rehetra, ary ny fanohanana akaiky ataon'i Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka izay tarihin’Andriamatoa Minisitra Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo eo amin'ny ady mifototra amin'maha lahy sy maha vavy
Orange Day , hetsika iraisam-pirenena mikendry ny hampitombo ny fahatsiarovan-tena sy ny fahaiza-manao momba ny ady atao amn'ny herisetra mifototra amin’ny vehivavy sy ankizivavy, ary handrisika ny fiaraha-mientana hanovana ny toe-javatra.
Ho fanamarihana izany dia misy ny hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana manerana ireo boriboritany enina (6) eto Antananarivo Renivohitra sy ny distrikan’Avaradrano, manomboka ny 26, 27, 28, 29, 30 Novambra sy 02 sy 03 Desambra 2024.
Miara-manandratra ny feontsika isika ho fanoherana ny herisetra sy ho fahasalaman’ny vehivavy sy ny ankizi-vavy.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
#Ministeran_ny_fahasalamam_bahoaka
#Association_Fitia
#Orange_Day
#FanoherananyHerisetra
#FahasalamanaHoAn_nyRehetra
#FanantenanaHoAn’nyVehivavySyAnkizyVavy
SCM/DIRCOM 26-nov.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...