TSY VESATRA HO AN'NY HAFA - Fankalazana ny faha-75 taonan’ny Centre Hospitalier Universitaire d'Appareillage de Madagascar (CHUAM)
Antananarivo, 20 Oktobra 2026
Tonga nanome voninahitra ny lanonana fankalazana ny faha-75 taonan’ny Centre Hospitalier Universitaire d’Appareillage de Madagascar (CHUAM), Ramatoa vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Elisa RANDRIANIRINA, niaraka tamin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Isan’ireo nanatrika izany lanonana izany ihany koa ny Vadin’ireo Mpanolotsaina Avo ny Fanavaozana, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, ary ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina.
Ity fankalazana ity dia fotoana iray hanamarihana ny tantara sy ny asa vitan’ny CHUAM nandritra ny 75 taona teo amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra amin’ny fikarakarana sy ny fanarenana ireo olona manana fahasembanana, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana fanampiana sy tohana mifanaraka amin’ny filàny.
Ny tanjona dia ny hanampy ireo olona manana fahasembanana mba hahaleo tena araka izay tratra, hahafahany miaina amim-pahamendrehana ary tsy ho vesatra ho an’ny hafa. Izany no tarigetra manentana ny CHUAM amin’ny fanatanterahana ny asany, dia ny fanomezana fahafahana sy fanohanana ireo olona manana fahasembanana mba hahafahany miatrika ny fiainana andavanandro sy mandray anjara mavitrika amin’ny fiaraha-monina.
Tsy tokony hisy olona havela ho irery na hahilikilika noho ny fahasembanana ananany. Manana zo mitovy amin’ny olon-drehetra izy ireo, na eo amin’ny fahasalamana, na eo amin’ny fanabeazana, na eo amin’ny asa, na eo amin’ny fiainana andavanandro. Noho izany, zava-dehibe ny fanomezana azy ireo fahafahana mitovy, ny fanajana ny maha-olona ary ny famoronana tontolo ahafahany miaina amim-pahamendrehana sy mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana sy amin’ny fananganana fiaraha-monina mirindra sy tsy manavaka, izay manaja ny zon’ny tsirairay ary manome lanja ny olona rehetra, tsy an-kanavaka.
Nandritra izany fotoana izany, dia nampiavaka ny lanonana ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpisehatra ara-pahasalamana, mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny tolotra omena ny vahoaka, indrindra ireo olona mila fanohanana manokana.
Ny fahasembanana dia tsy tokony ho antony hanilikilihana, fa tokony ho antso ho amin’ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fifanohanana. Amin’ny alalan’ny fanarenana sy ny fampiroboroboana ny fahaleovantenan’ireo olona manana fahasembanana no ahafahana manampy azy ireo hanana fiainana mendrika sy ho olom-pirenena mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny Firenena.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 20-oct.-2026