FIOMANANA HIATRIKA NY METY FIHANAKY NY VALANARETINA ETO MADAGASIKARA

Hotel Le Louvre Antaninarenina - 20 Oktobra 2026

Manoloana ny fitomboan’ny trangan’aretina mifindra eto Madagasikara sy ny kontinanta Afrikanina dia ilaina hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny hamehana ara-pahasalamana. Izany indrindra no antony nanatanterahana ny fiofanana natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny COUSP (Centre des Opérations d’Urgence de Santé Publique) amin’ny fiatrehana ireo tranga mety hiseho.

Amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia manamafy ny ezaka ataony ny Fitondram-panjakana amin’ny fanomezana fiofanana sy ny fizarana traikefa rehetra ho an'ireo rantsamangaika rehetra mba ho vonona fa tsy ho tapohin'ny loza.

Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa ary ny fahavononana hiatrika ny hamehana ara-pahasalamana, mba hiarovana ny ain’ny mponina sy hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Nanotrona izany fiofanana izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Randrianambinina Ephraïm Stéphanson, izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Ny Africa CDC sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS) no manohana ity fiofanana ity, ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fanamafisana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny hamehana ara-pahasalamana, ary ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 20-oct.-2026