CHRD BENENITRA – FARITRA ATSIMO ANDREFANA : FANAMAFISANA NY FITAOVANA ARA-PITSABOANA

Ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia manamafy hatrany ireo ezaka ho fanamafisana ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ny vahoaka manerana ny Nosy.

Ao anatin’izany, dia tontosa ny fametrahana sy fanolorana ireo fitaovana ampiasaina ao amin’ny toeram-pitiliana "laboratoire" eo anivon’ny CHRD Benenitra, Faritra Atsimo Andrefana.

Ity hetsika ity dia natao hanamafisana ny fahafahan’ny toeram-pitsaboana manatanteraka ny asa fitiliana sy hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary, ho tsara kalitao hatrany na aiza na aiza ny Faritra eto Madagasikara ary santionany amin'ireo asa mipaka mivantana amin'ny vahoaka izao fampitaovana ao Benenitra izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 20-oct.-2026