FAHASALAMANA ARA-TSAINA SY FANOHANANA ARA-PISIKOLOJIKA : FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASAN’IREO SEHATRA MAROLAFY
Tanterahana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 oktobra 2026 ny atrikasa fifanakalozan-kevitra sy fandrindrana iarahan’ireo sehatra marolafy sy ireo mpiara-miombon'antoka mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fanohanana ara-pisikolojika.
Tamin'izany dia nitondra ny tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Talen'ny Fitaleavana misahana ny ady amin'ny aretina tsy mifindra eo anivon'ny Minisitera ny amin'ny maha zava-dehibe ny fiaraha misalahy amin'ny fampiroboroboana ny ady atao amin'ny sehatry ny fahasalamana ara-tsaina.
Ao anatin’ny andraikitra sahaniny amin’ny fiarovana sy fampiroboroboana ny fahasalaman’ny vahoaka, ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia manamafy hatrany ny ezaka hanatsarana ny sehatra ara-pahasalamana rehetra ao anatin'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fisorohana ireo olàna sy aretina mifandraika amin’izany, ary ny fanatsarana ny fanohanana ara-tsaina ary ny ara-pisikolojika. Tafiditra ao anatin’izany ny fandrindrana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra sy mpiara-miombon’antoka voakasika, mba hahazoana valiny mirindra sy mahomby manoloana ny filàn’ny mponina.
Nandritra ity fotoana ity dia hifampizara traikefa ireo mpandray anjara, handinika ny ezaka efa vita sy ireo olàna no sedraina, ary hiara-hamantatra ireo vahaolana sy laharam-pahamehana ihany koa. Ireo fifanakalozan-kevitra ireo dia natao hanatsarana ny fandrindrana ny asa sy hiantohana ny fandraisana andraikitra iraisan’ireo sehatra rehetra.
Amin’ny alalan’izao hetsika izao, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manamafy ny fahavononany hanohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tolotra sy ny hetsika mifandraika amin’ny fahasalamana ara-tsaina, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ho tombontsoan’ny Vahoaka.
Ny fahasalamana ara-tsaina dia andraikitra iombonana, mitaky fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa maharitra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 21-oct.-2026