FAHASALAMANA HO AN’NY REHETRA : TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA HO AN’IREO ZOKIOLONA TAO SAMBAVA SY ANTALAHA

Faritra SAVA

Tsy afaka manadino ireo loharano nipoirana, ireo nahitana masoandro, izany kolontsaina izany no mahatonga ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manamafy ny ezaka, ny amin'ny fanatsarana ny fahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana, ny fanatanterahana ny fizaham-pahasalamana ho an’ireo zokiolona, izay mifanaraka amin’ny vina sy ny laharam-pahamehana napetraky ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana Fanavaozana (PGE-R).

Tontosa izany tao amin’ny CHRR Sambava, zokiolona miisa 120 no nisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana, fanaraha-maso ara-pahasalamana manokana (suivi gériatrique), fizarana fanafody ary fanolorana torohevitra momba ny fahasalamana.

Tao amin’ny CHRD II Antalaha kosa dia tontosa soa aman-tsara ihany koa ny fandraisana sy fizaham-pahasalamana ho an’ireo zokiolona. Anisan’ny fitsaboana natolotra tamin’izany ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, ny fitsaboana nify, ny fitiliana diabeta, ny fitarafana ary ny fizarana fanafody, ankoatra ireo tolotra hafa mifanaraka amin’ny filàn’ireo nisitraka izany.

Amin’ny alalan’ireo hetsika ireo, dia manamafy ny fahavononany hanakaiky kokoa ny vahoaka sy hanatsara hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ny Fitondram-panjakana, mba hahafahan’ny tsirairay misitraka fitsaboana sahaza sy tsara kalitao, indrindra ho an'ireo sokajin’olona marefo.

Laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny tsirairay, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy fa indrindra fahasambarana ny mbola manana ireo ray aman-dreny, tsinjovina izy ireo mba ho ela velona.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

#MSANP
#FahasalamanaHoAnNyRehetra
#CHRR_Sambava
#CHRD2_Antalaha
#FaritraSAVA

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DGFS. 21-oct.-2026